Ary izao tontolo izao

Ary izao tontolo izao,
Noharìna mba ho iray:
Ankohonan'Ilay Ray
Hiombona amin-Janany.

  Simbam-panavahana
  Toy ny ondry nobaboina
  Ka mihahaka daholo,
  Mitsitokotoko eny
      Fa ny Ray no Mpahary
      Tsy mba sasatra miandry
      Ary sitraky ny fony
      Mba tsy hisy iray ho very
  Simbam-panavahana
  Toy ny ondry nobaboina
  Ka mihahaka daholo,
  Mitsitokotoko eny
      Fa ny Ray no Mpahary
      Tsy mba sasatra miandry
      Ary sitraky ny fony
      Mba tsy hisy iray ho very
 
Fiv
Tompo ô, angony indray
Ny ondrinao fa te ho iray.
Mba ho tonkana ny vala,
Ka ho iray mandrakizay
   Ny Batisa dia iray
   Ny finoana dia iray
   Ny Fiangonana iray
   Satria mino Tompo iray.
      Homba antsika tsy ho rendrika
      Ny fitiavan'Andriamanitra
      Kristy Tompo iraky ny Ray
      Ny Fanahy antoka izao
            Hitàna
   Ny Batisa dia iray
   Ny finoana dia iray
   Ny Fiangonana iray
   Satria mino Tompo iray.
 
2. Tonga nofo aman-drà
Ilay Zanaky ny Ray
Ka miantso ny mpanota
Sy manangona ny very
   Simbam-pisarahana
   Ka misampana ny dia
   Nefa miantso an'izy Tompo
   Ny tsy mino tohina
      Tsy avelan'izy Ray
      Hisy vala maro intsony,
      Fa ho tokana hijoro
      Hanambara an'i Jesoa.
   Simbam-pisarahana
   Ka misampana ny dia
   Nefa miantso an'izy Tompo
   Ny tsy mino tohina
      Tsy avelan'izy Ray
      Hisy vala maro intsony,
      Fa ho tokana hijoro
      Hanambara an'i Jesoa.
 
Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 378
Fihirana Hasina p. 127
Fihirana Vaovao p. 431
Vavaka sy Hira p. 650
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009