Mahaiza misaotra sy mankasitraka

Mahaiza misaotra sy mankasitraka
Ny Tompo nahary nifidy anao
Tanatin'ny maro, tanatin'ny tsara, Misaora!
Niangaram-pitiavan'i Jesoa Tompo ianao
Natorony lalana lavorary
Tsiambaratelony avy amy Ray, Misaora!

 1.Isika va re no nahay nifidy,
    Isika no tsara mahatehotia?
    Isika ve no hafa noho 'reo nania? Misaora!
    Fa Izy no tsara sy heni-tsoa
    Fa Izy hatrizay no tia mialoha
    Niantso mangina ny anaranao: Misaora!

2.Mba tsarotsarovy irony lasa
   Tombatombano izay kinasa
   Tsisy tafita raha tsy ny Tompo: Misaora!
   Na teo ny oram-baratra sy ny tselatra
   Na teo ny andro sarotra sy haizina 
   Tsy nisy nikemo fa teo lalandava ny Tompo

3.Fa inona kosa no havalinao
   Ny tombom-pitiavany tsy nandao
   Nanenika ny fiainanao tontolo? Misaora!
   Aza misasatra mankalaza
   Manandra-tanana ho fiderana
   Ilay Tompo tia miahy anao: Misaora!

4.Akaro ny antsa arahin-kira
   Akaro ny vavaka ho fihobiana
   Ho setrim-pitiavana isan'ora: Misaora!
   Atreho ny Tompo manao Sorona
   Kalisim-pisaorana amy Ray:
   Ny Ainy no atolony mba ho ohatra: Misaora!

Eny re, misaora - Eny re, misaora - Eny re, misaora!

Nampiditra Solo22
Sokajy Fisaorana
Ankalazao ny Tompo p. 531
Fihirana Dera p. 295
Fihirana Hasina p. 310
Fihirana Vaovao p. 516
Vavaka sy Hira p. 529
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0958