Ho iray ihany anie

Ho iray ihany anie izahay mpianatrao.

1 'Ndreto 'zahay, ô ry Tompo, 'ndray mitalaho aminao:

2 Mba tanteraho aminay,'lay vavakao fahiny:

3 Tahaka anao sy ny Ray ary ny Fanahy Masina:

4 Hinoan'ny olon-drehetra, ny Ray naniraka anao.

5 Fifankatiavana ihany, no hamantarana anay:

6 Tompo, ireo mino anao, misaratsaraka, indrisy!

7 Diso izahay ka mifona, te ho iray ka tantano:

8 Ny faniriam-ponay: hiray finoana indray.


 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 163
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071