Zanako

1. Ela ny ela tonga saina aho

   raha mbola hanohy izao fanao izao
Hikiribiby ve? Hita fa tsy mety e
   ny miaina lavitra anao,
ny andrasoandraso, ny aleo ampitso aloha
Soa ihany fa misy ny anio
Mampiova fo, mampiova loha, hiverina aho.
   hody an-tranonao (2)
 
Nanota tamin'ny tany sy ny lanitra aho Dada
Tsy mendrika akory ny antsoina hoe zanakao
Mba raiso ho isan'ny mpanomponao aho dada ô;
Veriko anie ny hasina maha zanakao (2)
 
2. Ela ny ela tonga ianao etsy orohako ny zanako;
Ampiakanjoy izy e, asio peratra e, hifety be isika anio
'Ty zanako ity: very ka hita indray, maty ka velona;
Niova fo ny zanako, monena ianao ato an-tranon-dRainao
Niova fo ny zanako, monena ianao ato ant-ranonao.
 
Tsy nampoiziko ho toy izao ianao, ry Dada ô;
Oroka anie no asetrinao ny ditrako;
Ka lasa homba ny lasa tokoa anie ry Dada ô,
Hohajaiko anie ny hasina maha zanaka ahy. (2)
Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 805
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0558