Manana latabatra voaomana i Jesoa

1. Manana latabatra voaomana i Jesoa
Hamahanany ireo olomasina.
'Reo voafidy no nantsoiny hiaraka hihinana:
'Reo fanahy zay reraka dia ho afa-po.

Ô avia ka mihinàna fa miandry anao Jesoa;
Ny latabatry ny Tompo azonao ihinanana.
'Zay namoky marobe, nanova rano ho divay;
Miantso ny noana hiara-komana aminy.
 

2. Fivorian-dehibe sy feno voninahitra,
Fotsy manjopiaka 'reo olo-masina.
Hiara-paly sy hihoby ary hiaraka hidera
An'i Kristy 'lay masoandrobe.

3. Mba faingana hamonjy ny fampakaran’i Jesoa
Ho eo anilany mandrakizay doria
‘Reo olomasina rehetra hiara-komana aminy
Amin’ny fampakarambadin’i Jesoa Kristy

4. Hirahiram-pifaliana no mameno sesilany
F’efa sambatra izy ireo ao an-danitra ao
‘Reo mpanompon’i Jesoa niasa tsy miova fo
Notolorany ny valisoa tokoa

5. Tsy ho diso anjara ka mirosoa dieny izao
Misikina ka hanompo an’i Jesoa
Dia tsarovy lalandava f’ i Jesoa dia tia Anao
Koa faingana aza ela fa tongava

Nampiditra hery
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 773
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1249