Ie, ny teninao, ry Tompo, no teny mahavelona

Ie, ny teninao, ry Tompo, no teny mahavelona e,
Ie, ny teninao, ry Tompo, no teny mahavelona e.

1 Izay mandre ny teny ka mitandrina azy ireny,
 Hoy ny Tompo,
 Dia toy ny trano miorina eo ambony vatolampy e.

2 Raha tonga ny oram-baratra ombàna rivo-doza...
 Tsy hihontsona ny trano fa hijoro lalandava e!

3 Izay mandre ny teny nefa tsy mitandrina azy...
 Dia toy ny trano miorina eo ambony tora-pasika e.

4 Raha tonga ny onjan-drano sy ny oram-batravatra...
 Hirodana ny trano ka ho loza no hiafarany e!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 247
Fihirana Dera p. 233
Fihirana Hasina p. 153
Fihirana Vaovao p. 171
Vavaka sy Hira p. 498
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093