Voninahitra anie, voninahitra anie ho an'ny Ray ao ambony tsy taza-maso etý

Voninahitra anie, voninahitra anie
Ho an'ny Ray ao ambony tsy taza-maso etý;
Fiadanana anie, fiadanana anie
Ho an'ny olona tiany, namindrany fo.
 
1 Midera anao izahay,
 Mankalaza anao, mitsaoka anao,
 Mihoby ny hasinao,
 Misaotra anao 'zahay.         (Voninahitra)
 
2 Ry Tompo Andriamanitray ô,
 Rainay ianao, Mpanjakanay ianao,
 Mahefa ny zava-drehetra:
 Ny tany sy ny lanitra.         (Voninahitra)
 
3 Ry Jesoa Tomponay ô,
 Zokinay ianao fa Zanaky ny Ray,
 Ianao manala ny ota,
 Ka mamindrà fo aminay.     (Voninahitra)
 
4 Ianao irery no Tompo,
 Ambony indrindra, ankavanan'ny Ray,
 Miaraka amin'ny Fanahy,
 Ka omem-boninahitra.        (Voninahitra)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 263
Fihirana Hasina p. 151
Fihirana Vaovao p. 51
Vavaka sy Hira p. 718
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088