Rainay an-danitra any, mba henoy e

1 Rainay an-danitra any,          mba henoy e
 Mba henoy ny vavakay e,        mba henoy e
 Mitalaho anie izahay e,           mba henoy e
 Miandrandra anao, ry Ray ô,    mba henoy e.

2 Diso taminao 'zahay,             ka mifona
 Nanadino anao, ry Ray ô,        ka mifona
 Tsy nanao ny sitrakao,            ka mifona
 Voasodokan-drendrarendra,    ka mifona.

3 Zandrinao 'zahay, ry Jesoa    ka vonjeo
 Fa voafatotry ny ota,              ka vonjeo
 Fantatrao fa mbola osa,          ka vonjeo
 Mora resin'ilay Ratsy,              ka vonjeo.

4 Hamasino e izahay e,            hamasino
 Ry Fanahy Zanahary,              hamasino
 Hamasino e ny fonay,             hamasino
 Hamasino ho lapanao e,         hamasino.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Ankalazao ny Tompo p. 263
Fihirana Dera p. 187
Fihirana Hasina p. 147
Fihirana Vaovao p. 75
Vavaka sy Hira p. 720
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0654