Ny fanenenana

1 Ny fanenenana dia alahelo
 Ihaonanao amin'Andriamanitra;
 Tantaraina ny ratsy natao,
 Mikasa mafy tsy hanota intsony:
 Tompo ô, mamindrà fo aminay.

2 Osa ka diso, lavo nanota
 Fa olombelona ka mety lavo e,
 Nefa matoky anao 'zay namonjy,
 Mikasa mafy tsy hanota intsony:
 Kristy ô, mamindrà fo aminay.

3 Tsy mba kivy mifona, nomenao fotoana,
 Nankaherezinao sy nataonao zanaka e,
 Ka dia matoky ny herinao, ry Ray.
 Mikasa mafy tsy hanota intsony:
 Tompo ô, mamindrà fo aminay.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 147
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096