O nivoha ny varavaran'ny lanitra

(Sal. 23)

(Ô nivoha) Nivoha ny varavaran'ny lanitra )
Teo anatrehan'ny Tompo                          )
Ombam-pahefana sy laza,                        ) (indroa)
I Kristy no Tompo nandresy.                     )
 
1 'Zao tanintsika izao sy ny zava-tsoa 'zay mandravaka azy,
 'Zao tenantsika izao sy ny zava-maro nomena antsika
 Dia samy asa tanan'ilay Mahefa namonjy antsika:
 Eny e, eny e, 'ndeha isika hihoby ny Tompo.
 
2 Iza àry no hiakatra ny tanànan'ny Tompontsika?
 Zovy àry no hanjaka hifehy ny lanitra sy ny tany?
 Moa ve tsy ilay nandresy ny fahafatesana ho antsika?
 Eny e, eny e, 'ndeha isika hihoby ny Tompo.
 
3 Andrao ny tataonareo, ry varavarana fahagola,
 Hidiran'ilay Mpanjakan'ny voninahitra tsy hay fefena,
 Kristy ilay nandresy ka notolorana fahefana:
 Eny e, eny e, 'ndeha isika hihoby ny Tompo.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 536
Ankalazao ny Tompo p. 32
Fihirana Dera p. 209
Fihirana Hasina p. 143
Fihirana Vaovao p. 143
Vavaka sy Hira p. 262
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094