Any an-danitra any no fonenako

Any an-danitra any no fonenako,
Any aho no mody raha miala etý:
Vetivety foana dia ho hitako
'Lay tanàna soa tiako erý.

1 Faingàna, faingàna, ry Mpamonjiko,
 Aza kivy foana, ry fanahiko.

2 E mamirapitratra tsy misy toa azy
 Ilay vavahadin'i Jerosalema.

3 Enga anie isika indray andro any
 Ka hifankahita any an-danitra any.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 164
Fihirana Hasina p. 136
Fihirana Vaovao p. 283
Vavaka sy Hira p. 558
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212