Ry Tanindrazanay malala ô!

1 Ry Tanindrazanay malala ô!
 Ry Madagasikara soa,
 Ny fitiavanay anao tsy miala,
 Fa ho anao, ho anao doria tokoa.
 
Tahionao, ry Zanahary,
'Ty Nosin-drazanay ity
Hiadana sy ho finaritra:
Eh! Sambatra tokoa izahay.
 
2 Ry Tanindrazanay malala ô!
 Irinay mba hanompoana anao
 Ny tena sy fo fanahy anananay
 'Zay sarobidy sy mendrika tokoa.
 
3 Ry Tanindrazay malala ô!
 Irinay mba hitahiana anao,
 Ka ilay Nahary izao tontolo izao
 No fototra ijoroan'ny satanao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Firenena - Samihafa
Fihirana Dera p. 152
Fihirana Hasina p. 135
Fihirana Vaovao p. 427
Vavaka sy Hira p. 655
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091