'Zay anjakan'ny fitiavana - Izay anjakan'ny fitiavana

'Zay anjakan'ny fitiavana, 'zay anjakan'ny fitiavana,
Anjakan'Andriamanitra, anjakan'Andriamanitra.

1 Ny fitiavana an'i Kristy no manambatra antsika ho iray:
 Aoka hientan-karavoana, hifaly ao aminy.

2 Hajao sy tiavo 'lay Andriamanitra velona:
 Ny fifankatiavana enga anie hanjaka tokoa.

3 Satria fa mitambatra sy mivondrona ho 'ray isika,
 Tandremo sao very indray 'zao firaisam-pontsika izao.

4 Ny ady, ny fifandirana, aoka re, atsaharo:
 Kristy Andriamanitra enga anie hanjaka amintsika.

5 Enga anie izahay rehetra mba hiaraka hahita anao:
 Toy ny olom-pinidinao re, ry Tompo Andriamanitra.

6 Dia hiara-ko sambatra ao amin'ny Fanahy Masina,
 Atambatr'ilay fatoram-piadanana antenainay.

7 Haravoana tsy hita lany, tsy hisy hanala aminay,
 No lova miandry anay ho an'ny taona mandrakizay.

Nampiditra Belle
p. 221
Ankalazao ny Tompo p. 58
Fihirana Dera p. 221
Fihirana Hasina p. 130
Fihirana Vaovao p. 108
Vavaka sy Hira p. 542
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.056