He, ny andon'ny maraina

1 He, ny andon'ny maraina
 Latsaka ao an-tsaha re,
 Ka mamelona ny maina,
 'Zay maniry rano be!

 Ravoravo e ny tany,
 Fa he ny andro maina efa lany
 Ka mitsahatra ny fahantrany,
 Manaroka ny hazo be!

2 Ny fanahy karakaina
 Misy rano velona,
 Fa Jesosy andon'aina
 Manome fiainana:

 Velona ny jentilisa,
 Ny tany hay dia tonga paradisa;
 Marobe no efa voaisa
 Handray ny lova masina!

3 Misy lalana mizotra,
 'Zay mankao Ziona re;
 Any no mitanjozotra
 Ny vahiny marobe;

 Ka Ziona dia mivoha
 Hidiran'ny navotan'ny Tsitoha;
 Ao no ivorian'ny mifoha,
 Fa an'ny Tompo lehibe.

4 He, mikambana ny mino
 Amim-pifaliam-be,
 Ka ny hobiny maneno
 Tahaka ny rano be!

 Ao mitovy avokoa,
 Tsy misy tompo sy mpanompo koa,
 Eny, razana iray tokoa
 Ny mponina ao Ziona re!

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 124
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191