Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa

Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
Na aiza na aiza hitondranao ahy;
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
Fa ianao no miantso ahy!

1 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Tsy manana olon-kafa aho fa ianao no fiainako:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 Hifikitra aminao aho, Jesoa!

2 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Hitory teny soa amin'ireo havako:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 Hanohy ny asanao aho, Jesoa!

3 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Ho zary famonjena anie ny fahoriako:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 Hifantsika aminao aho, Jesoa!

4 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Hibanjina ny Ray Tompo Andriamanitro:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 'Zay misy anao no hisy ahy, Jesoa!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 376
Fihirana Dera p. 200
Fihirana Hasina p. 119
Fihirana Vaovao p. 433
Vavaka sy Hira p. 652
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185