Ô izany diako, mahitsy hatrany re

Ô izany diako, mahitsy hatrany re,
ho any aminao, (aminao ry Tompo)

Fa ny hany tiako, ka hotompoiko anie,
dia ianao.

1 Na hisompatra ahy izay tsy tia,
 mankahala, manadala
 Dia tsy mampanahy, Tompo ô,
 izay voakasako tsy mety miala.

2 Raha mandalo aho, toa irìny,
 toa tondroiny, toa esoiny,
 Raha mba mitalaho, Tompo ô,
 ny fivavahako no hamavoiny.

3 'Zany lohataona voninkazo,
 fampitaha eny an-tsaha,
 Fa tsy mahataona, Tompo ô,
 ny tavanao anie maha te hizaha.

4 Na manangasanga, toa miantso
 'lay tanàna nidolàna,
 Tsy mihambahamba, Tompo ô,
 ny faniriako tokam-pilàna.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 62
Fihirana Hasina p. 119
Fihirana Vaovao p. 139
Vavaka sy Hira p. 523
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1398