Ô ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko ianao n'aiza n'aiza

Ô ry Jesoa Kristy Tompo ô,   )
Harahiko ianao n'aiza n'aiza. ) (indroa)

1 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Tsy ny vola aman-karena e
 No mba tanjona tratrariko.

2 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Raiso ny hazo fijaliana e,
 Dia izory izay nodiaviko.

3 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Tiavo toy ny iray tam-po e
 Ny  olombelona notiaviko.

4 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Tsy hotompoina fa hanompo e:
 Izay no tarigetram-piainako.

5 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Amin'ny olo-maminao e,
 Izaho no ataovy faratampony.

6 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Hoentiko any an-tranon-dRaiko e
 'Reo nizaka ny fiainako.

7 Tianao ve ny ho mpianatro?  )
 Tena hanim-pitoloha e           ) (indroa)
 No haroson'ilay Dadako.         )

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 490
Fihirana Dera p. 225
Fihirana Hasina p. 118
Fihirana Vaovao p. 186
Vavaka sy Hira p. 525
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092