Natolotrao ho anay, ry Ray ô, ny Zanakao

1 Natolotrao ho anay, ry Ray ô, ny Zanakao e,
 Izay mino azy tsy mba ho very;
 Mifona izahay fa diso, tsy nanaiky anao.

Tompo ô, mamindrà fo;
Kristy ô, mamindrà fo:
Mifona izahay fa diso,
Mba omeo finoana.

2 Natolotrao ho anay, Jesoa ô, ny ainao e,
 'Zahay no tsy mamaly fitia anao;
 Mifona izahay fa diso, be fitiavan-tena.

3 Nambaranao anay ny Teny mahavelona e,
 Ireo voaantso hitory no tsy mamaly;
 Mifona izahay fa diso, tsy manampy anao.

4 Nomenao anay ny Mofo avy any an-danitra e,
 Ireo voaantso hizara no tsy nandroso;
 Mifona izahay fa diso, na tiavinao.

5 Nomenao ny fahefana hamela heloka e,
 Ireo voaantso hiantra no tsy nijoro;
 Mifona izahay fa diso, ka tsy miadan-tsaina.

6 Novorinao ny ondrinao tsy hiparitaka e,
 Ireo voaantso hiandry no tsy nanatona;
 Mifona izahay fa diso, ka maniasia.

7 Narehitrao ho anay, Jesoa ô, ny afom-pitiavana e,
 Ireo voaantso hanilo no tsy nitsangana:
 Mifona izahay fa diso, tsy mifankatia.

8 Nomenao anay ny herin'ny Fanahy Masina e,
 Ho pretra, relijiozy sy vavolombelona;
 Mifona izahay fa diso, toa mandao anao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 116
Fihirana Vaovao p. 456
Vavaka sy Hira p. 551
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02