Velombelomy

1 Ianao, ry Jesoa Tompo, no zokinay,
 Ianao no mamelombelona ao am-ponay ao
 Ny finoana manazava ny fiainanay:
 Ianao no mitantana ny andro iainanay.

Velombelomy ao anatinay     )
Ny faniriana hanaraka anao; )
Velombelomy ao anatinay     ) (indroa)
Ny faniriana hanaraka anao. )

2 Ianao, ry Jesoa Tompo, no tokinay
 Ianao no mampientanentana ao am-ponay ao
 Ny fanantenan-ko faly rahatrizay:
 Ianao no voafidinay ho mpankahery anay.

3 Ianao, ry Jesoa Tompo, no maminay,
 Ianao no manolokolo ao am-ponay ao
 'Lay fitiavana tsy lefy avy aminao:
 Ianao no manoitra ny fifankatiavanay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 114
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822