Fitiavana mandrakizay

1 Fitiavana mandrakizay
 No nitiavako anao
 Ka tsy avelako hangaihay
 Fa hampiako hihavao.

Ny fitiavana mameno ny fiainako,
Ny fitiavana manenika ny tenako,
Ny fitiavana iezahako hivelomana
Aza avelanao hilofika ho rava
Fa arovy sy hamasino lalandava,
O Kristy Zoky mamy ianteherana.

2 Raha maharitra ianao, ô razandry,
 Ho finaritra tokoa
 Fa 'lay satro-boninahitra miandry
 Ao am-paradisa soa.

3 Ny fitiavako mamy itokiana
 Vita tombo-kase,
 Tena sitraka ianao sady tiana
 Raha faly manome.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 112
Fihirana Vaovao p. 237
Vavaka sy Hira p. 785
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088