Andeha ianao, mankanesa any an-tanim-boaloboko

Andeha ianao, (eny andeha)
Mankanesa any an-tanim-boaloboko. Ilazao re,
Ilazao taon-jina ny mpianatro;
Dia omankomany ny vokatra                 )
F'efa antomotra izao ny taona fijinjana ) (indroa)

1 Ataoko eo am-bavanao ny teniko:
 Dia ny Fanahiko fahendrena,
 Ataoko eo am-bavanao ny teniko
 Hamelomanao ny vahoaka voafidiko.

2 Ataoko eo imasonao ny endriko:
 Dia ny Fiangonako fanorenana,
 Ataoko eo imasonao ny endriko:
 Hanangonanao ny vahoaka navotako.

3 Ataoko ao anatinao ny heriko:
 Dia ny Fitiavako fanomezana,
 Ataoko ao anatinao ny heriko:
 Hanentananao ny vahoaka notiaviko.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 534
Fihirana Dera p. 294
Fihirana Hasina p. 110
Fihirana Vaovao p. 431
Vavaka sy Hira p. 528
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242