Rano ô, rano maherin'ny Fanahy Masina

Rano ô, rano maherin'ny Fanahy Masina,
Rano ô, rano manoro manangan-ko velona,
Rano ô, rano tsy ritra omen'ny Mpamonjy.

1 Fa ny fahotana no namono antsika,
 Ny batemy kosa no mahavelona e.

2 I Adama sy i Eva no nampikomy antsika,
 I Kristy Mpamonjy no maha-zanaka e.

3 I Kristy nijaly sy nahafoy ny ainy
 No ananantsika rano mahavelona e.

4 Ny vahoaka jody nita ny ranomasina,
 Fa isika kosa niala ny fahotana e.

5 'Zay miara-maty amin'ny Mpamonjy
 Hiara-belona aminy ao amin'ny Ray e.

6 Zanak'Andriamanitra ka manompo azy,
 Tia ny olombelona, 'zany no kristianina e.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 304
Fihirana Hasina p. 109
Fihirana Vaovao p. 210
Vavaka sy Hira p. 504
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092