Izaho efa kristianina

Izaho efa kristianina, miova tsara ny foko;
Misaotra anao Andriamanitra fa izaho efa kristianina.

1 Izaho efa kristianina, ka nandao ahy ny demony,
 Fa ny batemy nandroaka azy: madio ny fanahiko.

2 Izaho efa kristianina, Andriamanitra no Raiko:
 Ataoko 'zay rehetra asainy, ambara-pahafatiko.

3 Izaho efa kristianina, ka i Jesoa no Zokiko;
 Izaho very niantrany: omeko azy ny foko.

4 Izaho efa kristianina, tafiditra ato amiko
 Andriamanitra Fanahy, ka manamasina ny foko.

Nampiditra Belle
Sokajy Batemy
Fihirana Dera p. 148
Fihirana Hasina p. 109
Fihirana Vaovao p. 391
Vavaka sy Hira p. 502
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091