Zavavy ô!

Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe:
"Intý tamy ny mpampakatra ka mitsangàna re".
Eny mandehana e mitsena an'i Kristy e )
Eny mandehana ka tsenao Kristy.         ) (indroa)

1 Zavavy ô, ny sofina atongilano,
 Ilaozy ny ray aman-dreninao
 Ho tian'ny Mpanjaka ny bikanao.

2 Andeha re mitsaoka ny Tomponao!
 'Reo manan-karena amin'ny vahoaka
 Mitondra fanatitra ho sitrakao.

3 'Lay zanakavanin'ny Andriamanjaka
 Jereo fa miravaka volamena,
 Mianjaika manatona ny Mpanjaka.

4 Indreny milahatra falifaly,
 Mandroso ao an-dapan'Andriamanjaka
 Ireo tovovavy mpanotrona azy.

5 Ho maro e ny fara sy dimbinao
 Mba hamelo-maso ny razanao
 Hanjaka eran-tany tontolo ireo!

6 Izaho kosa hiventy ny anaranao
 Ho ren'ny taranaka mifandimby:
 Hidera azy hatrany ny firenena.

7 Isaory ny Tompo nifidy antsika
 Fa zanany no efa niantsoany antsika,
 Handray ny Fanahy hampanjaka antsika.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 108
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222