Tsy ny mofo ihany e no iveloman'ny olona

Tsy ny mofo ihany e           )
No iveloman'ny olona,        )
Fa ny teny rehetra             ) (indroa)
Voalazan'Andriamanitra e. )

1 Ny fanahy anie no olona, ka tsy ampy ny ara-nofo,
 Fa tsy maintsy tsaroana hatrany ny maha-olombelona antsika e.

2 Hajao ny olombelona fa zanak'Andriamanitra,
 Indrindra ny madinika solontenan'ny Tompo eto an-tany e.

3 Ka sambatra izay enjehina, tsy hoe nanao ny ratsy,
 Fa noho ny Tompo ihany, sy noho ny marina ijoroany e.

4 Izay manao ny marina hamiratra eny an-danitra:
 Na maty ka nalevina, ho velona aina mandrakizay e.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 106
Fihirana Vaovao p. 294
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092