Ry mpiaro masina mahery

1 Miteny aho fa tanora,
 Mijoro hiasa tsy himalo
 Na mafy izany na ho mora;
 Ny herim-po tsy hatakalo
 Ny masom-bola goragora
 Na safosiakam-pahavalo.

Ry mpiaro masina mahery,
Ry Masindahy Xavier-nay,
An-tsitrapo fa tsy an-tery,
Manolo-tanana izahay:
Mba raiso, tano tsy ho very
Ho lazanao rahatrizay. (indroa)

2 Miteny aho fa tsy tana,
 Manolo-tena hampanjaka
 Fifankatiavana, lalàna,
 Hanohitra mpandrava laka,
 Hitady lalana hombàna:
 Ho sina ireo mpanjakazaka.

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 103
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089