Raha tonga ny andro farany

Raha tonga ny andro farany, )
Dia izao no hitsarana:           )
Izay atao amin'ny madinika, ) (indroa)
Atao amin'Andriamanitra.     )

1 Hoy ny Tompo amin'ny olo-marina:
 Manatòna, ry nosoavin'ny Raiko e:
 Noana aho, nomenareo hanina,
 Nangetaheta, nomenareo hosotroina.

2 Nivahiny, nampiantranoinareo,
 Tsy nitafy, nomenareo fitafiana e,
 Tany am-ponja, dia novangianareo,
 Raha narary, dia notsaboinareo.

3 Hoy ny Tompo amin'ny olon-dratsy:
 Miesora ianareo, ry voaozona e:
 Noana aho, tsy nomenareo hanina,
 Nangetaheta, tsy nomenareo hosotroina.

4 Nivahiny, tsy nampiantranoinareo,
 Tsy nitafy, tsy nomenareo fitafiana e,
 Tany am-ponja, tsy novangianareo,
 Raha narary, tsy notsaboinareo.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 102
Fihirana Vaovao p. 377
Vavaka sy Hira p. 423
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095