Alokalofan'ny Tompo (Salamo 126)

(Sal. 126)

Alokalofan'ny Tompo             )
Ny olomarina mandrakizay e. ) (indroa)
 
1 - Sasa-poana isika olombelona e,
 Raha ilaozan'ny Tompo Andriamanitra e.

2 - Raha Iaveh no miara-miasa amintsika e,
 Lavorary ny zava-drehetra e.

3 - 'Zay mandao ny fanampian'izy Tompo e,
 Miasa foana amin'ny ataony rehetra e.

4 - Fa mihinana hanim-pahoriana e,
 Ny olombelona ilaozan'ny Tompo e.

5 - Ny olomarina alofan'ny Tompo e,
 Fa malalany mandrakizay e.

6 - Herim-po no anjaran'izy ireo e,
 Hanoherana ireo fahavalo e. 

7 - Voninahitra anie ho an'ny Ray e,
Sy ny Zanaka sy ny Fanahy.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 50
Fihirana Hasina p. 93
Fihirana Vaovao p. 257
Vavaka sy Hira p. 361
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087