Zozefa - Jôsefa mpitaiza an'i Jesoa

Zôzefa mpitaiza an'i Jesoa
Sy Rain'ny ankizy madinika,
'Zahay te hambenanao tsara
Mba hitombo fahatsarana.

1 Mpiaro ny fahadiovan'
 I Maria izay nanangana anay,
 Ny fonay tsy mba arovanao va?
 Tsy mba zanakao va 'zahay?

2 Mba fotsy sy manitra tsara
 Ny voninkazo tananao,
 Ho sarin'ny fahadiovana
 Notananao mandrakizay.

3 Zôzefa nitondra an'i Jesoa
 Ho any an-tany Ejipta,
 Ambeno 'zahay fa vahiny,
 Fa voasesin-tany izahay.

4 Zôzefa, herezo 'zahay e
 Handrava ny sain'i Satàna,
 Sy ny fivavahana diso
 An-tany nahabe anay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 89
Fihirana Vaovao p. 251
Vavaka sy Hira p. 619
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094