Jôsefa be voninahitra - Zôzefa

1 Zôzefa be voninahitra
 Manjaka anilan'i Jesoa
 Be fahefana ny tananao:
 'Zahay matoky ny herinao.

Ry ray, tolory tanana aho,
Tantano tsy hisolafaka;
Malama sady mideza anie
Ny lalana izorako.

2 Ny masonao aondreho re
 Ety an-tany iadiako,
 Fa fantatrao ny manjò atý,
 Tsarovy izay ranomasonao.

3 Mpiaro ny hadiovam-po,
 Tahio aho isan'andro,
 Fa be ny fandriky ny demony,
 Arovy aho fa zanakao.

4 Raha avy izay hahafatesako,
 Zôzefa ô, herezo aho,
 Ka ento mora ny zanakao
 Am-paradisa mandrakizay.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 144
Fihirana Hasina p. 88
Fihirana Vaovao p. 251
Vavaka sy Hira p. 621
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0617