Taloha ela izay tany Galilea

1 Taloha ela izay tany Galilea,
 Dia nisy zazavavy tsotra sy madio fo:
 Virjiny manetry tena sy feno hasoavana,
 Voafidin'ny Mesia ho Reny maminy.

Midera anao 'zahay, ry kintana fitarikandro,
Ankizivavin'ny Tompo, Mpanjaka sy Reninay;
Ny kristianin-drehetra sy izao tontolo izao,
Ny lanitra sy ny anjely, midera anao, Maria.

2 Tetý ambonin'ny tany ilay Renintsika
 Niasa mafy sy nijaly tamin-kerim-po;
 Diniho ny tranon'omby, Ejipta sy Nazareta,
 Indrindra ny Kalvery nitomaniany.

3 Rahefa nodimandry ilay Virjiny soa,
 Dia lasa nampakarina any amin'ny Zanany.
 Mihoby ny paradisa, Maria miondrika mora:
 "Intý aho, Tompo, ankizivavinao!"

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 131
Fihirana Hasina p. 86
Fihirana Vaovao p. 414
Vavaka sy Hira p. 574
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171