Ny tranonao masina

1 Ny tranonao masina no falehanay,
 Ekeo, ry Reny, ny fifonanay.

Ave, ave, ave, Maria.
Ave, ave, ave, Maria.

2 Ny zanakao very mitady anao,
 Hampihavana azy amin'i Jesoa.

3 Ny vavaka ataonao itokianay,
 Ifony, ry Reny,  Jesoa Zanakao.

4 Be ny alahelo manindry anay,
 'Zahay tsy ho reraka raha tahinao.

5 'Zahay kotranin'ny ota manjò,
 Arovy, ry Reny, 'zahay zanakao.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 136
Fihirana Hasina p. 83
Fihirana Vaovao p. 417
Vavaka sy Hira p. 574
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093