Ny anjely Gabriely niarahaba an'i Maria

1 Ny anjely Gabriely
 Niarahaba an'i Maria:
 Ary ianao, Masina Maria ô,
 Nanan-janaka tamin'ny Fanahy Masina.

Miarahaba anao 'zahay,
Ry Masina Maria:
Ny Tompo ao aminao,
Ny taranaka rehetra mankalaza anao.

2 Mitenena re, ry Tompo,
 Hoy ny ankizivavinao;
 Aoka ho tanteraka amiko
 'Zay sitrakao araka ny teninao.

3 Ka ny Teny tonga nofo,
 Jesoa Zanaky ny Ray,
 Tonga teto ambonin'ny tany
 Niara-nonina tamintsika olombelona.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 82
Fihirana Vaovao p. 253
Vavaka sy Hira p. 610
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092