Fiainam-baovao, (ianao ilay olombelona marefo)

Ianao ilay olombelona marefo
Ny lalanao mamaky haizim-pito
Fa miandry anao ilay fahazavana
Io ny Tompo miantso anao ka mitsang
àna.

Izao tontolo izao efa jambena
Voagejan-drendrarendra sy harena
K'ianao dia ianao no antenainy
Ny fiainanao miova no ilainy (o, o, o).

Ny fitiavany tsy miova     - Ny fitiavany
No iantsoany anao izao    - No iantsoany anao
Ny ra nalatsany ho anao   - Ny ra nalatsany
No nanasany ny fonao      - No nanasany anao.

Ka dia tsy horaisinao tokoa ve
'Zay antso antefany?
Ka andeha ianao hampijoro hatrany
Ny lalam-pahamarinana
Izany, izany no fiainam-baovao    
Izany, iznay no iantsoany anao.

Satria ny fitiavan'ízy Tompo (o, o)
Miantso anao hanompo sy hanatsara
Satria ny fitiavan'izy Tompo (Eny e)
Manefy anao tsy handray fa hizara.

Tsy hoe fadiranovana, tsy manana
Fa sahy manome ny aina sy ny ananana
'Zay no fahantrana am-panahy
Tsy voagejan'ny tombontsoa sy ny ahiahy.

Satria ny fitiavan'izy Tompo (o, o)
Manainga anao ho marina sy ho mpanarina
Satria ny fitiavan'izy Tompo (Eny e)
Manainga anao tsy hanaiky ny tsy marina.

Tiava marina tokoa, dia ataovy izay tianao hatao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 78
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009