Efa natsangan'Andriamanitra ho velona

Efa natsangan'Andriamanitra ho velona
I Jesoa Zanany sy Mpanompony, aleloia!
Efa nialoha lalana antsika izy:
Ho vavolombelony isika,
Ho vavolombelony kosa isika. Aleloia!

 

1 Toy 'reo vehivavy masina nanara-dia ny Tompo,
 Manontany tena isika raha idonam-pahoriana.
 Zovy ihany, hoy isika, no hanosika ny vato?
 Toa hadinontsika manko f'efa velona ny Tompo.

2 Toy 'reo mpianatra nandeha nizaha ny fasana isika,
 Raha nandre fitantarana ny asa vitan'izy Tompo.
 Zovy ihany no hanova 'zany fo sy masontsika,
 Mba hinoany fa nitsangana ho velona ny Tompo?

3 Toy ny mpianatra roalahy lasa nody koa isika,
 Efa kivy tsy afa-mino izay voasoritry ny Ray.
 Zovy ihany no hanazava ary koa hampino antsika
 Fa tsy maintsy maty aloha vao hitsangana ny Tompo?

4 Toy 'reo mpianatra rehetra tafavory tao an-trano,
 Zary henatra ho antsika ny anaran'i Jesoa.
 Zovy ihany no hijoro sy hanambara an-kasahiana
 F'efa niara-nisakafo tamintsika i Jesoa Tompo?

Nampiditra Belle
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 177
Fihirana Hasina p. 73
Fihirana Vaovao p. 127
Vavaka sy Hira p. 701
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145