Tompo ô, miantso anao ity aho

Tompo ô, miantso anao ity aho
Anaty haizim-be.
Tompo ô, henoy izany feoko!
Mba raiso re 'ty zanakao
Ho anisan'ny mpanomponao.

1 Tsaroako hatrany e ilay hafaliana
 An-tranonao, Ray be fitiavana:
 Jesoa Kristy e no Fahazavana
 An-tranonao nilaozako.

2 Fianakaviana e no avorinao
 An-tranonao, Ray be fitiavana:
 Jesoa Kristy e no Fiainanay
 An-tranonao nilaozako.

3 Mamerovero e ilay fihavanana
 An-tranonao, Ray be fitiavana:
 Jesoa Kristy e no Zoky ho anay
 An-tranonao nilaozako.

4 Vahoakanao e no midera anao
 An-tranonao, Ray be fitiavana:
 Jesoa Kristy e no Mpanjakanay
 An-tranonao nilaozako.

5 Sambatra loatra e ireo zanakao
 An-tranonao, Ray be fitiavana:
 Jesoa Kristy e no Fiadananay
 An-tranonao nilaozako.

Nampiditra Belle
Sokajy Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 63
Fihirana Dera p. 185
Fihirana Hasina p. 70
Fihirana Vaovao p. 474
Vavaka sy Hira p. 552
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195