Tompo ô, jereo 'zahay

Tompo ô, jereo 'zahay,
Iantrao fa diso taminao.
 
1 Miandrandra anao 'zahay,
 Ry Kristy Mpamonjy anay,
 Mitalaho mafy hoe:
 Avelao ny otanay.
 
2 Ianao no herinay
 Hiditra ao an-danitra
 Ka diovy ny fonay:
 Avelao ny otanay.
 
3 Hamasininay ianao,
 Mba henoy ny vavakay:
 Noho ny fitiavanao,
 Avelao ny otanay.
 
4 Ibabohanay anie
 'Reny hadisoanay,
 Na izay miafina:
 Avelao ny otanay.
 
5 Izahay navotanao
 Sady vidin'ny Ranao,
 Aza afoy ho very re:
 Avelao ny otanay.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Karemy
Fihirana Dera p. 113
Fihirana Hasina p. 69
Vavaka sy Hira p. 511
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1653