Ianao koa ve, ô ry Tompo ô, Ianao koa ve hanameloka ahy?

Ianao koa ve, ô ry Tompo ô,     )
Ianao koa ve hanameloka ahy? ) (indroa)
Mandehàna ianao,                     )
Fa aza manota intsony. (indroa) ) (indroa

1 Mandia tany anie aho, ka solafaka,
 Miloloha lanitra e, ka lena ihany;
 Tondroina molotra aho ary esoina,
 Dia indro entina hotoraham-bato.

2 Efa niezaka aho, efa namindra,
 Indrisy lavo indray, fa mbola osa;
 Ka nohelohina aho, nalaim-baraka,
 Tsy mendrika hiray amin'ny olo-marina.

3 Sambatra loatra anie ireo olo-marina,
 Madio fihetsika, be fiantrana;
 F'izaho kosa ity mahatsiaro ho diso,
 Ka mitanondrika, mandon-tratra.

4 Ny mpiara-monina manebaka ahy
 Ny olo-marina mitory ahy;
 Ny eritreritro manenjika ahy:
 Mifona, Tompo ô, mivalo aho.

5 Tsy mendrika aho anie handray anao,
 Fa mitenena ianao, dia ho sitrana aho.
 Ilay fitiavanao hotantaraiko,
 Hoentiko aminao ireo namako.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Karemy
Fihirana Hasina p. 66
Fihirana Vaovao p. 463
Vavaka sy Hira p. 513
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912