Avelao ny helok'izy ireo, ry Dada ô

Avelao ny helok'izy ireo, ry Dada ô!
Tsy fantany tokoa izay ataony.

1 F'izaho namoy ny aiko mba ho vonjin'izy ireo.

2 Afaho tanteraka izy tsy ho andevon'ilay Ratsy.

3 Fa sitrakao tokoa ny hiverenany aminao.

4 Ny ota hibabohany tsy hisy ho tavela.

5 Ho azy ireo indrindra no ifonako, ry Dada.

6 Fa tiako hiaraka amiko ny zanakao rehetra.

7 Hitantana azy ireo ny Fanahinao, ry Dada.

8 Ho tsapan'izy ireo fa tena Rainy ianao.

Nampiditra Belle
Sokajy Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 235
Fihirana Hasina p. 66
Fihirana Vaovao p. 178
Vavaka sy Hira p. 693
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096