Ô, ry fihinanam-bilona, famantarana ho anay

1 Ô, ry fihinanam-bilona, famantarana ho anay
 Manambara ny olombelona mampiantrano an'Andriamanitra!
 Alina e ny andronay!
 Mosarena fiantrana izato tany maminay:
 Ny fitiavan-tena tsinona no mameno ny fonay,
 Tsisy intsony izay mba toerana hiantranoan'izy Ray!
 "Io 'lay Zanany, hareny: lahitokany ka raiso;
 Zanahary mivahiny ao am-pon 'ny olombelona:
 Voninahitra sy harena mihoatra izay irinareo!"

2 Ry mpiandry ondry sambatra, olon-tsotra solonay,
 'Zay maniry fiadanana no toloran'Andriamanitra...
 Alina e ny andronay!
 Mosarena hazavana izato tany maminay:
 Rakotra haizina ny fiainana ka mamoy fo 'zahay,
 Tsisy intsony izay mba taratra hitsinjovana ny Ray!
 "Io ny Teny tonga nofo: hazavana ka hatòny,
 Fara tenin'Andriamanitra amy fon'ny olombelona:
 Vaovao mahafaly efa nandrandrainareo".

3 O, ry majy tatsinanana, solon-tenanay mpanota,
 'Zay mibanjina ny lanitra notarihin'Andriamanitra...
 Alina e ny andronay!
 Mosarena famonjena izato tany maminay:
 Ny otanay no mitambesatra ka tsy mampitraka anay;
 Tsisy intsony 'zay mba kintana mampitodika amy Ray!
 "Io Jesoa fitarikandro: famonjena ka araho,
 Zanahary te hanova ny ati-fon'ny olombelona:
 Hazavana manjopiaka hitari-dalana anareo!"

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Ankalazao ny Tompo p. 334
Fihirana Hasina p. 64
Vavaka sy Hira p. 679
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3259