Omeo finoana izahay

1- Omeo finoana izahay e,
    Hankahery anay malemy
    Fa tsy misy tsy azo atao e,
    Amin’izay rehetra mino.

    Noho ny Teninao, ry Tompo,
    Efanay zay sitrakao

2- Abrahama Rain’ny mpino,
    Tsy nisalasala akory
    Ny hamoy ilay naterany,
    Nony nangatahinao!

    Foinay ho Anao
    'Zay mba maminay indrindra.

3- Nino toy ireo miaramila,
    Tany Jerikao fahiny
    Nampikoa ny tamboho e,
    Tamim-peon’anjomara

    Noho ny anaranao, ry Tompo,
    Resinay ny mafy indrindra

4- Mino toy 'lay tomponjato: 
    Teninao iray dia ampy
    Hanasitrana tokoa,
    Ny aretina mahazo

    Mino izahay, ry Tompo.
    Teninao no tokinay

5- Mino mafy sady faly,
    Toy ny Reninao fahiny
    Sy i Joany mpialoha,
    Nahare fa tonga Ianao!

    Dia hiravo ny fonay
    Manantena famonjena

Nampiditra DayAnd
Sokajy Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 122
Fihirana Dera p. 203
Fihirana Hasina p. 667
Fihirana Vaovao p. 451
Vavaka sy Hira p. 532
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093