Feno hafaliana ny foko raha nilazana hoe

(Sal. 121)

Feno hafaliana ny foko raha nilazana hoe
‘Ndeha isika ho any ao an-tranon’Iaveh
‘Ndreto izahay ry Tompo ô
 
1-      Tapitra ny dianay, indro fa tonga soa
Eto am-baravaranao Jerosalema (2)
 
2-      ‘Ndreto re ny foko maro, ny vahoakan’Israely
Mankalaza ny Nahary, Jerosalema (2)
 
3-      Ao ny trano fitsarana, ny vahoakan’i Davida
Fiadanana ho anao, Jerosalema (2)
 
4-      Noho ireto rahalahy, havanay sy tapakay
Dia ho lava ny andronao, Jerosalema (2)
 
5-      Ao no miakatra izahay, hankalaza an’Andriamanitra
Samy zanaky ny Eglizy, Jerosalema (2)
 
6-      Voninahitra sy dera, ho an’ny Tompo ambony indrindra
Mitsodrano ny Eglizy, Jerosalema (2)

Nampiditra DayAnd
Sokajy Fidirana - Salamo
Fihirana Dera p. 52
Fihirana Hasina p. 256
Fihirana Vaovao p. 286
Vavaka sy Hira p. 357
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099