O ry Reny mahavatra

1 Ô ry Reny mahavatra ô,
   Ô ry Reny mahavatra ô,
   ny kibonao no nitondra e
   ny kibonao no nitondra e
   Kibonao no nitondra ilay Nofo nidina avy any an-danitra;
   Izay rehetra mihinana azy tsy ho faty rahoviana,
   tsy ho faty rahoviana
   Ô ry Reny mahavatra ô,
   ny kibonao no nitondra e
   Ô ry Reny mahavatra ô,
   ny kibonao no nitondra e

2 Ô ry Reny mahavatra ô,
   Ô ry Reny mahavatra ô, 
   tena sambatra ianao e,
   tena sambatra ianao e,
   Tena sambatra ianao nampinono avy tamin'ny nononao
   Ilay mibaiko ny onjan-dranomasim-be tsy hita fetra,
   ranomasim-be tsy hita fetra.
   Ô ry Reny mahavatra ô, 
   tena sambatra ianao e,
   Ô ry Reny mahavatra ô, 
   tena sambatra ianao e,

3 Ô ry Reny mahavatra ô,
   Ô ry Reny mahavatra ô,
   tena tretrika ianao e
   tena tretrika ianao e
   Tena tretrika ianao ny nononao no nampiboika Loharano
   Izay igohan'ny rehetra ilay fiainana maharitra,
   ilay fiainana maharitra.
   Ô ry Reny mahavatra ô,
   tena tretrika ianao e
   Ô ry Reny mahavatra ô,
   tena tretrika ianao e

4 Ô ry Reny mahavatra ô, 
   Ô ry Reny mahavatra ô, 
   nosoavina ianao e
   nosoavina ianao e
   Nosoavina ianao fa nandatsaka ilay orana mpamelona:
   Mba hanafaka hetaheta ireo firenen-drehetr,
   'reo firenen-drehetra.
   Ô ry Reny mahavatra ô, 
   nosoavina ianao e
   Ô ry Reny mahavatra ô, 
   nosoavina ianao e

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 59
Karine Dera p. 505
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094