Toy ny erika mifafy

(Iz. 55, 10-11)

1 Toy ny erika mifafy sy ny orana milatsaka
 Avy eny an-danitra eny
 Tsy miverina hiakatra ho rahona any intsony
 Rah'tsy efa mahavonto, mahalonaka ny tany,
 Dia toy izany koa ny Teniko,
 Hoy ny Tompo Zanahary.

2 Tsy miverina eny ambony lasa rahona indray
 Rah'tsy efa mampitsiry,
 Mampamelana ny voly hahazoana voa afafy
 Sy sakafo mahavoky iveloman'ny vahoaka.
 Dia toy izany koa ny Teniko,
 Hoy ny Tompo Zanahary.

3 Toy izany koa ny Teny 'zay lazaiko sy torìko:
 Tsy miverina amiko izy
 Rah' tsy efa mahavita 'zay kasaiko hotontosaina,
 Ary tiako hotanterahina ny amy nanirahako azy.
 Toy izany koa ny Teniko,
 Hoy ny Tompo Zanahary.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 315
Fihirana Hasina p. 59
Fihirana Vaovao p. 9
Vavaka sy Hira p. 408
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094