Ry Fanahin'izy Tompo nisonenika nameno an'izao tontolo izao

1 Ry Fanahin'izy Tompo nisonenika nameno
 An'izao tontolo izao ô,
 Ry Fanahin'izy Tompo izay nomeny hampiaina
 Ny olombelona rehetra.

2 Herinao no tsirin'aina nampamokatra tokoa
 Zazavavy masin-toetra ô,
 Nahavelona ho Nofo naka itony fombanay
 Ilay Zanaky ny Avo.

3 Ianao nanosotra azy mba ho feno fahendrena,
 Ka hitory teny soa ô,
 Hankahery 'reo mahantra, hanasitrana ny ratra
 'Zay mandrotika ny fony.

4 Ianao no nananganan'Andriamanitra azy Tompo
 Mba ho santatra ho anay ô,
 Nanavao ny fiainanay 'zay nateraka indray
 Hiombona aina amin'ny Ray.

5 Herinay tokoa ianao manamafy ny finoana,
 Mahatonga anay hijoro ô,
 Mba ho iraka hanambara sady taratra manilo
 Ny voaary manontolo.

6 Ny Fiangonanao herezo ka ho vatana tomady
 Eo anivon-java-maro ô:
 Hatanjaho ka tantano mba hirehitra fitia,
 Hambabo 'reo mania.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Ankalazao ny Tompo p. 269
Fihirana Dera p. 252
Fihirana Dera p. 493
Fihirana Hasina p. 51
Fihirana Vaovao p. 450
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092