Aoka hanatona ny Tompo

Aoka hanatona ny Tompo

(Manatóna) isika 'zay mangetaheta.

1 Ka hanovo loharano an-kafaliana.
2 An-doharanom-pamonjena tsy mba ritra.
3 Loharano hiboiboika avy ao anaty.
4 Ka hanetsaka ny fiainana tontolo.

5 Ka tsy hisy hampangetaheta intsony.
6 Dia ho afaka hihatsara lalandava.
7 Hoentanin'ny Fanahy izay homeny antsika.
8 'Lay Fanahy mampitodika amin'ny Ray.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Ankalazao ny Tompo p. 440
Fihirana Dera p. 276
Fihirana Hasina p. 47
Fihirana Vaovao p. 434
Vavaka sy Hira p. 440
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094