Endrey 'ty tranon'omby

1 Endrey, 'ty tranon'omby mangina be tokoa;
 Alina sarobidy, fa teraka i Jesoa
 Zanahary Mpamonjy:
 Variana mitsaoka azy 'lay Reny virjiny.

 

2 Midodododo faly ireo mpiandry ondry,
 Finaritra mamangy, mitsetra sy misaotra
 An'i Jesoa 'lay Mesia,
 Mitsiky mandray azy, Mpamonjy tsara fo.

 

3 Ny fonay manontolo faly mandray anao,
 Mino sy manantena, tia anao, ry Jesoa.
 Raiso re, ry Tomponay,
 Ny Nosinay tontolo, anao mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Noely
Fihirana Hasina p. 44
Fihirana Vaovao p. 384
Vavaka sy Hira p. 669
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772