Tsy hitsahatra hisaotra an'Andriamanitra isika

(1 Kor. 1, 4-9)

1 Tsy hitsahatra hisaotra
 an'Andriamanitra isika e,
 Noho ny soa ara-panahy
 ao amin'i Jesoa Tompontsika,

 Zay antenaintsika e!

2 Fa satria ao amin'i Jesoa Tompo
marina tokoa e,
 Ny harena sesehena
 izay atobaka amintsika

 Zay antenaintsika e!

3 Dia ny teny sy ny hareny,
 ny fahaizana rehetra,
 F'efa miorina amintsika manko
 ny hafatr'izy Tompo!

  Zay antenaintsika e!

4 Koa tsy orim-pahasoavana
 mihitsy raha isika e,
 Dia isika 'zay miandry
 ny hiverenan'izy Tompo,

  Zay antenaintsika e!

5 Izy kosa tsy hitsahatra
 ny hankahery antsika e,
 Mba tsy hanan-tsiny isika
 rahefa feno ny fotoana,

  Zay antenaintsika e!

6 Tsy mivadika Andriamanitra
 rahefa miantso antsika,
 Mba hiombona amin-Janany e,
  Dia i Jesoa Tompontsika!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 256
Fihirana Dera p. 248
Fihirana Hasina p. 44
Fihirana Vaovao p. 124
Vavaka sy Hira p. 442
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1218