Tonga ny Maherintsika

Tonga, tonga e, tonga ny Maherintsika,
tonga ny nandrasantsika,
tonga ny Filohantsika:
Dera, hoby, saotra no atolotra azy. (indroa)

1 Miharihary ny fitiavan'Andriamanitra
 Fa Teny no nandrasana ka indro re ny Zanany:
 Zaza tonga lafatra fa "endriky ny Rainy" e e.

 Tonga ilay Teny nahariana ny tontolo:
 Hivondrona ao aminy ny zavatra rehetra,
 Lahatra voasoritra efa sitraky ny Rainy.

2 Tonga ilay Mahantra nefa Tompon'ny tontolo
 Hizara ny hareny amy zanak'olombelona:
 Lova sarobidy ny fitiavan'izy Rainy e e.

 Tonga ilay Zanaka mpitondra fiadanana:
 Hiadana finaritra ao aminy ny olony
 Mino sy manaraka ny lalana nizorany.

3 Tonga ilay Mpanjaka fanaperana amy tany
 Hanompo ny vahoakany, hamongotra ny rafy:
 Hatolony ny Rainy ny tontolo nohavaoziny e e.

 Tonga ilay Mpanafaka am'tahotra ny fasana
 Hanangana ny olony ho velona tanteraka:
 Izy ilay nidina dia indro fa nasandratra.

4 Tonga ilay Filoha hitari-dalana ny olony,
 Hanentana azy ireo ho tody soa an-tanindrazana:
 Indro ny Fanahiny nomeny mba ho antoka e e.

 Tonga olombelona 'lay Zanak'Andriamanitra:
 Ho zanak'Andriamanitra isika olombelona,
 Tiany sy tendreny mba hiombona aina aminy.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 329
Fihirana Hasina p. 42
Vavaka sy Hira p. 680
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494