Ry Fo masin'i Jesoa

Ry fo Masin'i Jesoa be fitiavana anay,

Raiso re ny fonay ho anao mandrakizay.

 

1 Ianao nilaza hoe: avelao hanatona ahy

 Ny ankizy madinika: azy ireny ny lanitra.

 

2 Ianao niantso hoe: ô, avia hanaraka ahy;

 Ka izao tontolo izao, indro re fa ilaozanay.

 

3 Ianao niteny hoe: ny fitia ambony indrindra

 Mahafoy ny ainy ho an'izay tiavina.

 

4 Ianao no lalam-be, ianao no hazavana:

 'Zay manaraka anao anie entinao ho eo anilanao.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 39
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0617